samedi 27 avril 2013

FANAIRANA AVO! ALERTE générale et maximum

Madagasikara manentana ny kolontsaina
ny Haifanabeazana ho olom-pirenena sy ny Haifampandrosoana

Dia miarahaba anao, mirary soa, ary manao izao ANTSO AVO sy FANAIRANA AVO izao momba ny tanindrazantsika Madagasikara sy ny vahoaka malagasy..


FANAIRANA
farany izay AVO indrindra !
(ALERTE générale ! et maximum !)
EFA VOAPOIZINA !
Vatsy VOLA  MIAFINA tsy misy famerana 
Sy Lalàmpifidianana VOASANDOKA
CES HCC magistrats misandoka 
CENIT sy solosaina fangalarana malaza ao Afrika
io FIFIDANANA filoham-pirenena 2013 io!

ANTSO AVO àry :  aoka TSY HISY HIFIDY
raha tsy misy ny FANOVANA na FANITSIANA io Lalàmpanorenana 2010 voasandoka io
Sy ireo RAFITRA rehetra

Mba ialàna amin'ny atao hoe:

"Etat de non droit" " Etat sauvage"   
"Un Président de la République sans vision ni compétence-sous éduqué-escroc-militaire ou civil voyou bandit d'affaires-danger public, uneTransition-Escroquerie 
 une GOUVERNANCE d'escrocs militaires et civils VOYOUS-BANDITS d'affaires manipulés par et pour les puissances étrangères"

"Filoham-pirenena adàla tsy ampy fahaizana sy fahalalàna mpisandoka fifidianana sady mpijirika (voyou bandit d'affaires) mampididoza
Tetezamita sandoka sy Fitondrana adàla, sivily sy miaramila MPISANDOKA, MPIJIRIKA 
(voyous bandits d'affaires) mampididoza, fitaovan'ny Mpitondra firenena any ivelany
  sady manetry firenena no mambotry vahoaka anaty fahantrana  ary mamono an-jambany ny taranaka malagasy"
Fitondrana 53 taona (1960-2013) 
 samy nampididoza!
Repoblika efatra samy MATY AMBOHOKA... 

Ireo FANOVANA tsy mandany fotoana azo ATAO !
Ireo FANARENANA HAIRINDRA    FOTOTRA 

(REFONDATION  qualitative stratégique de l'Etat) 


Haifanazavana, Haifanadihadiana
Pedagôjia Haifanabeazana olom-pirenena

Tena ILAINA ary ADIDY MASINA ny MAMPITANDRINA mialoha mba tsy ho nenina rehefa velona indray ny HERISETRA, ny daroka, ny famotehana, ny doro, ny vono, ny fitifirana, ny maty, ny filalaovana hetsi-po amin'ny vata-paty etsy amin'ny kianjan'ny 13 mai...efa voageja ao anaty fahantrana.

SANATRIA tsy hoe tsikera fe tsikera fotsiny, na famafy tahotra ilalaovana hetsi-po.
Ny HAIjery mitambatra (vision) , ny HAIFANADIHADIANA (analyse-diagnostic) mamohitra ireo tena OLANA fito IFOTONY ary ny HAIRINDRA (stratégie) VAHAOLANA matotra sy maharitra sady fanarenana no fampandrosoana, izay no any famindra tsy azontsika zanany idivirana intsony ary ataontsika ho an'i Madagasikara, ny vahoaka malagasy sy ireo taranaka mbola ho avy.

LALANA roa ihany sisa no azontsika izorana : Na ny HERISETRA (mifamono, daroka, doro, famotehana, ny maty, ny filalaovana vata-paty ho hetsi-po...lasa fitondrana adàla misolo fitondrana adàla...) ireo mpitondra firenena vahiny no hahita tombotsoa milamina ; na ny HAIFANABEAZANA maha olom-pirenena hitondra ny Haijery, ny Haifamindra, ny rafitra, ny lasitra sy ny saina, ny HAirindra    sady fanarenana no fampandrosoana tena izy.

Indro àry omena anao mialoha mba hazava tsàra ireto teboka (6) sady famaritra ireto :

  • NY LOZA GOAVANA efa mitatao amin'i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy efa latsaka ao anaty fahantrana (kajy efa vitan'ireo Mpitondra firenena telo vahiny mangeja).
  • IZA marina ireto HERY « zaza saina » mihevitra ny tenany fa miafina ka hoe tsy misy mahita ? sy ireo izay hita maso mivantana ? Samy mampiasa ireto POIZINA DIMY ireto « (1) lalampanorenana voasandoka  miaraka amin'ny fitondrana vahiny»  « (2) ny JIRIKA vatsy vola miafina tsy misy famerana » « (3)SIVANA manilika malagasy ( 6 volana tsy teto ...) tsy mahazo milatsaka fa ny Mpijirika (bandits d'affaires) sy ny Mpangalatra  tsy maty manota, ny tsy nianatra, sy ny tsy nahita fianarana no mahazo milatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ...», « (4) ny fampiasana TEKNISIANA vahiny, ny SOLO SAINA vahiny, sy fitaovana an'ny vahiny FISANDOANA fifidianana efa malaza ao afrika » « (5) FIRENENA telo any ivelany no tena manao AMBOLETRA misafidy izay tsy nahita fianarana, na tsy nianatra, na tsy nanavao fahalalàna sivily na miaramila  tian-dry zareo atao ho lany ary takotakonana mpifaninana sandoka ». 53 taona izao (1960-2013) ireo POIZINA ireo dia samy indray mandaroka ho famotehana sy fanapoizinana ny fifidianana ny ho filoham-pirenena 2013 eto Madagasikara, sady MANITSAKA loha sy lamosina anaty LAVAKA fahantrana no MANETRY ny vahoaka ho mpifidy adàla hifidy Prezidà ny Repoblika adàla.
  • INONA no tena andraikitra ireto olona , na Mpitondra firenena, na Vondrona... ireto amin'izao LOZA GOAVANA mitatao izao ? ( Ireo nitondra Repoblika telo maty ambohoka(1960-2013) samy nisandoka fifidianana sy fitondrana voarotaka ka samy nandositra any amin'ny firenena nampiasa azy ho fitaovana, ity TETEZAMITA SANDOKA nivalapatra 4 taona MANETRY ho zaza saina anaty fahantrana, Ingahy isany Andry Rajoelina sy Ratsirahonana niray tsikombakomba amin'ny Mpitondra firenena vahiny manao lalàmpanorenana sy Lalàmpifidianana MISANDOKA ny lafiny RAFITRA sy ny SAINA, sady MANILIKA malagasy milatsaka ho fidiana no mandonaka anaty JIRIKA vatsy VOLA MIAFINA tsy misy famerana..., ireo Mpijirika (bandits d'affaires) na miaramila na sivily malagasy sy vahiny , ireo ORINASA SAVOROVORO (multinationale) ...Ny Mpitondra firenena n'Amerika, ny Mpitondra firenena n'i Afrika Atsimo, ny Mpitondra firnena n'i Frantsa...firenena TELO mitonona ny tenany ho « VONDRONA iraisam-pirenena » sady miafina ao ambadiky ny fikambanana ho fanakonakonana (SADC, PNUD, UA,OIF, COI,...).
  • IZA no manome dikany inona ny hoe « VONDRONA iraisam-pirenena » ?
  • TOMBOTSOAN'iza no AROVAN'iza ? ammin'ny fomba ahoana?
  • INONA no VAHAOLANA matotra sy maharitra amin'ireo OLANA ifotony mianjady amin'i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy ireo? ary tsy azontsika olom-pirenena zanak'i Madagasikara idivirana intsony.

Indro àry omena ho anao (anareo) :

HAIJERY mitambatra (Vision), HAIfanabeazana ho olom-pirenena HAIFANADIHADIANA MAMOHITRA ireo tena OLANA FITO IFOTONY (Analyse-Diagnostic)
HO FANARENANA IFOTONY ny lafiny RAFITRA sy ny lafiny SAINA, ny HAIRINDRA stratejian'ny FITONDRANA FIRENENA : ireo VAHAOLANA matotra sy maharitra...
(REFONDATION "SYSTEMIQUE" et "STRATEGIQUE" des Institutions, de la gouvernance, de l’État, et du développement de Madagascar dans la mondialisation).

Arao am-pitokisana àry ny mpitari-dalana :

Profesora Johnson Jacky TAHINA
Kandidà voajanahary milatsaka ho fidiana ho filohan'ny Repoblika 2013

Manentana ny HAIfanabeazana ho olom-pirenena 
 ny HAIjery (vision)  sy ny  HAIfanadihadiana (analyse diagnostic)
ny zava-nisy...ny zava-misy( 53 taona izao 1960-2013 )
mamohitra ireo tena OLANA fito ifotony famotehana ny lafiny rafitra sy lafiny saina
izay vao manome ny tena VAHAOLANA matotra sy maharitra
sy ny PRAOGRAMA HAIrindra (stratégie) sady fanarenana no fampandrosoana tena izy.

ANENTANA fivoriana, haifanabeazana ho olom-pirenena, sy fampita fahalalana, ary famelabelarana (conférences) maro eto madagasikara manomboka ny 1 jolay 2013
ka ny vahoaka no ahita aiza no tena misy ny haifanabeazana, haifanadihadiana, ny haijery sy hairindra mba tsy hiverina amin'ny Krizy intsony, sady ny manao fanarenana no manentana famapandrosoana.



Teny mialoha 
Ny maha Kandidà milatsaka ho fidiana ny tenako 
ho filoham-pirenena  2013


Na kandidà milatsaka ho fidiana filohan'ny Repoblika aza ny tenako dia tsy manatitra na mampanatitra taratasy amin'io rafitra voasandoka lalampanorenana sy C.E.S noho ireto antony telo ireto :

1°) Mila fankatoavana an-tsoratra hono hoe manaiky io lalampanorenana 2010 efa voasandoka io.
TSIA, TSY MANAIKY io lalampifidianana sy lalampanorenana 2010 io ny tenako, satria efa voasandok'ingahy isany Norbert Lala Ratsirahonana sy Andry Rajoelina ary ny Mpitondra FIRENENA VAHINY miray tsikombakomba amin-dry zareo io. (ny fampidinana ny taona, ny vatsy vola miafina tsy misy famerana, ny fandraràna ny malagasy tsy eto 6 volana tsy mahazo milatsaka « manilika ny tenako manokana Pr TAHINA io: asa iza no matahotra hifaninana ?!»...

2°) Ny POIZINA 53 taona (1960-2013) izao, dia ny vatsy VOLA MIAFINA tsy misy famerana izay ilatsaka ho fidiana filohan'ny Repoblika (sy ny antoko politika).
Mody atao hoe tsy mahazo mandray vola amin'ny firenena ivelany...saingy azo atao hono ny DONS !! loza! fanomezana, sy « legs ». Ny firenena any ivelany anie akory tsy adàla ka hidradradradra izany fa efa fanaon-dry zareo aty Afrika ny manao LAVA TANANANA ambadika fikambanana (UA, SADC, OIF, PNUD, COI, CENI, CENIT, ONG na olon-tsotra MPIJIRIKA (bandits d'affaires)...efa fahita ao Afrika ireo karazana fisandoana rehetra fanaon-dry zareo ireo...).
Raha io ANTOKA caution 50 000 000 Ariary io miampy ny hoe DONS sy "SPONSORS" legs io dia MAZAVA ho azy fa voatokana ho an'ny MPANGALATRA, ny MPANGALATRA tsy maty manota (amnistié), ny MPIJIRIKA miaramila na sivily (voyou bandits d'affaires) mitana baiboly sady mivarotra tanindrazana sy harem-pirenena mialoha, ny tsy nahita fianarana sy ny tsy nianatra ka fitaovan'ny Mpitondra firenena vahiny manetry ho zaza saina...ny fifidianana ho filohan'ny firenena.Na ny MPIFANINANA SANDOKA aza ho voavatsy vola satria atao tako-kenatra efa vita kajin'ireo Mpitondra firenena vahiny mangeja (Amerika sy Afrika atsimo ary i Frantsa...) izay Prezidà BITRO avaokan-dry zareo avy ao anaty satroka.

3°) Ny VAHAOLANA tsy mandany fotoana akory tsy azontsika idivirana intsony dia :
  • FANAOVANA fifidianana TSY MANILIKA ny samy malagasy (foanana ny hoe 6 volana any ivelany ka tsy mahazo milatsaka ho fidiana) ny FAHAIZANA sy ny FAHALALANA HISAHANA ny andraikitra AVO no ifaninanana fa tsy ny fanavakavahana 6 volana na fibahanana vatsy VOLA MIAFINA POIZINA efa vita KAJY amin'ireo MPIJIRIKA (bandits d'affaires) ,orinasa savorvoro (multinationale) sy ireo Mpitondra firenena Mpanjanaka mandripaka harem-pirenena.
  • VOLA VOAFETRA sady tsinjaraina MITOVY avy amin'ny fitondrana ny firenena malagasy sy ireo firenena tena NAMANA ka TSY MILA TAMBINY (budget neutre).
  • FANAOVANA fifidianana TSY MANDANY VOLA (tsy mila Tshirt, tsy mila mpanankanto, tsy mila mizara toaka sy sakafo, tsy mila takela-by goavana manimba tontolo iainana fanaovana dokambarotra zaza saina hetsi-po vetivety ireny...). Ny Fanafoanana ireo CT CST ireo dia efa VOLA hipetraka anaovana fifidianana MADIO.
  • TSY MAINTSY mifanatrika imasom-bahoaka « débat face à face  » mampiseho ny haifanazavany ireo OLANA IFOTONY : ny zava-NISY, ny zava-MISY, izay vao MANAMPOROFO fa ny praogramany no tena hitondra ny vaha olana matotra sy maharitra. Dia antoka caution 500 000 Ariary AMPY, satria NY FAHAIZANA sy ny FAHALALANA isahana no hifaninana fa TSY ny SEHO FIBAHANANA ara-bola.
  • Ny FANAVAOZANA IFOTONY tsy mandany fotoana (REFONDATION efficiente) ny lafiny RAFITRA sy ny lafiny SAINA momba ny HAIFITONDRANA firenena : lalampanorenana tena izy, lasitra fototra, haitrandraka vahaolana matotra miaro maharitra an'i Madagasikara ny vahoaka malagasy sy ireo taranaka mbola ho avy.

Izay no teny mialoha raha ny mikasika ny filatsahako manokana sady tsy mametraka taratasy amin'io rafitra (CES sy lalampanorenana voasandoka io) no mbola mitàna ny filatsahana ho fidiana. Ho hitantsika eo ny tohiny eto Madagasikara.
Indro àry omena anao (anareo) ho tohiny... Ity antso fanambarana efa nomena ireo Raiamandreny eto Madagasikara, ny FFKM, ireo Toerana fampianarana, ny fiangonana. ny fikambanana maro,.. efa tamin'ny Desambra 2012 teo...
Vakio tsàra miaraka amin'ny fianakaviana, ny namana sy tapaka, ampitapitao...ary aza adino ny mijery mamaky ity blogue amin'ny internet ity: fa tsy mba misy sivana no atao tena fanabeazana maha olom-pirenena.

Mirary soa
 

 
Madagasikara manentana ny kolontsaina
ny Haifanabeazana ho olom-pirenena sy ny Haifampandrosoana

Johnson Jacky THAÏNA
Profesora Ny Haimarolafy sy ny Rohivondronan-taranja
Professeur pluridisciplinaire et interdisciplinaire



Professeur d’Économie   de Mondialisation   de droit et des Institutions
    De Gestions   Marketing   Technologie   Finance   Ressources Humaines
          Management              Communication et culture             Méthodologie
          Pratique systémique et stratégie de développement
Enseignant à l’Université de Rennes          Campus Ker Lann
                 École d’Ingénieur INSA      CNAM       Epac Saint Cyr

Consultant Ingénierie du système éducatif 
                                             et de l' « éducation-formation-entreprise »
                 Ingénierie et audit de l’entreprise
                 Systémique et stratégie du développement  dans la mondialisation
                                         .
                                          

Candidat à l’élection Présidentielle
Kandidà voajanahary milatsaka ho fidiana Prezidà ny Repoblika

« Site » efa azonao vangina :
wwwmadagascar-animation-culturelle.blogspot.com
madagsacar animation culturelle pour le développement
Namorona ary mpiandraikitra ireto rafitra telo ireto :
Tambazotran’ny hery velona ho amin'ny Haifanabeazana ho Olom-pirenena
                     sy ny Haifampandrosoana an’i Madagasikara
Ny antoko politika Fiarahamientan'ny Hery velona ho amin'ny
                             Haifanabeazana ho olompirenena 
                             sy ny Haifampandrosoana an’i Madagasikara.
                      (Rassemblement des forces vives 
pour l'Education Citoyenne et le développement de Madagascar)
Madagasikara manentana ny kolontsaina ho amin'ny fampandrosoana
(Madagascar Animation Culturelle pour le développement).



ANTSO AVO sy FANAIRANA
ho antsika OLOM-PIRENENA malagasy rehetra
Raiamandreny, Ray aman-dreny, Tanora, Ankizy... 
Ny Hery Velona rehetra.
HAIJERY (Vision) sy HAIFANABEAZANA 
ho Olom-pirenena.
Ho amin'ny HAIFAMPANDROSOANA  
an'i Madagasikara




TSY AFANGARO ny VAHOAKA
 sy ireo MPITONDRA tena adàla manetry MAMPIDIDOZA firenena 
53 taona (1960-2013) !


Raha azo lazaina fa tsàra tokoa raha misy haiserasera, ary haififandraisana (zahatany « tourisme ») ny samy vahoaka (malagasy, frantsay, amerikana ary afrikana atsimo...) ; tsy maintsy kosa, AVOHITRA AINGANA , ho haifanabeazana ho olom-pirenena, mba HAZAVA tsàra ireo ZAVA-DOZA ataon’ireo MPITONDRA ireto FIRENENA telo ireto (Etats-Unis, Afrika Atsimo, Frantsa) 53 taona izao (1960-2013) aty Afrika sy indrindra eto Madagasikara, ary manao ahoana ny fiantraikan'izany eo amintsika vahoaka malagasy.

HaiFANAZAVANA  sy POROFO FITO...

IRETO ary ny HAIFANAZAVANA sy POROFO FITO antony anaovana ity FANAIRANA, ANTSO AVO, PEDAGÔJIA ary HaiFANABEAZANA ho olom-pirenana ity, ka ilazana hoe : « ADIDY MASINA! efa azo atao, ARY TSY MAINTSY ATAONTSIKA ! FARANANTSIKA eto ny FAMOTEHANA sy FANAPOIZINANA 53 taona (1960-2013) izay ataon'ireo MPITONDRA firenena telo ireo (Etats-Unis, Afrika Atsimo, sy i Frantsa) momba ny fifidianana Prézidà ny Repoblika sy ireo rafitra fitondrana firenena eto Madagasikara (Repoblika telo izao, samy maty ambohoka daholo, ary mbola miampy indray an'ity TETEZAMITA SANDOKA tsy voafidin'iza n'iza, tsy nahalala menatra nigalabona 4 taona tsy misy haijery, tsy misy pedagojia sy haifanabeazana olom-pirenena mamohitra olana ifotony ny zava-nisy ny zava-misy, tsy misy vaha olana, fa manararaotra mandany be, mandroba, mbola mampanohy ny fandripahana an-jambany ny harem-pirenena, misandoka lalampanorenana sy lalampifidianana, mambotry anaty fahantrana).

1°) (1960-2013) 53 taona izao no voahitsaka lamosina sy loha anaty lavaka misy ireo firenena nampahantrana ka mahantra indrindra eto an-tany i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy. Kajy ofisialy izany (Madagascar classé dans le groupe des pays les plus pauvres du monde!!! le groupe des pays exclus des gains de la mondialisation).
Efa 60% ny ANKIZY zanaka malagasy no tsy mandeha an-tsekoly,...ary 80% ny TANORA malagasy 18 taona midina no efa latsaka ao anaty fahantrana (kajy sy fanambarana UNICEF).

2°) TANDREMO ary FANTARO tsara koa anefa, fa tsy i Madagasikara akory no mahantra fa ireo MPITONDRA ireto firenena TELO ireto (Etats-Unis, Afrika Atsimo sy I Frantsa) mialokaloka MIAFINA ao ambadiky ny ataon-dry zareo hoe UA, SADC, PNUD sy COI, OIF..., ireo firenena telo ireo no mampiasa ORINASA SAVOROVORO (entreprises multinationales) mandripaka ny harem-pirenena eto Madagasikara, TSY MISY haijery ifanajana, TSY MISY haitakalo mba ifampitsinjo (ry zareo nikajy ny krizy fototry ny krizy 53 taona ihany no manao tondrozotra adàla mampandady tetezamita sandoka haka lesona FAHENDRENA malagasy any Afrika).
Fanodikodinana sain’olona (désinformation) ny hoe Andramena e!...tsy resaka dahalo na Andramena fotsiny velively ny tena FANDRIPAHANA harem-pirenena eto Madagasikara! Fanakonakonana sy fisandoana ny tena goavana ireny… Ny tena MAZANA dia maro tokoa (ny volamena, ireo vatosoa maro karazany mahery sandany, ny ilménite, ny vy, ny kobalt, Nickel, ny jono, ny solika, ny gaz,... ireo harena maro karazany voajanahary an’àla ary tena avo sandany…sy ireo harena maro hafa tsy ho voatanisa eto)...samy VOARIPAK'ireo Mpijirika bandits d'affaires) sy ORINASA SAVOROVORO sy ireo fitondrana adàla niray tsikombakomba.
Ny Mpitondra firenena an'i Etats-Unis sy Afrika Atsimo no nisafidy olona tsy nahita fianarana Ravalomanana, andripahana ny harem-pirenena eto Madagasikara ary narovan-dry zareo ANDOSITRA any amin-dry zareo.
Ny Mpitondra firenena ao Frantsa (efa nanao amboletra Tsiaranana-pisodia, sy ny Amiraly Ratsiraka nanapoaka ny trosan'ny firenena naniry igalabona mandritry ny fiainany na dia tsy manana, na tsy ampy na tsy nanavao ny tena hay takian'ny andraikitra aza) no mbola manao indray amboletra TETEZAMITA adàla olona tsy nianatra fa DJ mpampandihy-mpanao dokambarotra-zaza saina hetsi-po vetivety Andry Rajoelina.
Satrin'ireo firenena telo ireo izany ho malagasy tsy nahita fianarana na tsy nianatra, tsy ampy na tena tsy manana fahaizana sy fahalalàna takian'ny andraikitra avo, no ataon-dry zareo amboletra Prézidà ny Repoblika eto Madagasikara...andripahana milamina sy maharitra ny harem-pirenena.

3°) 1960-2013 (53 taona) REPOBLIKA TELO teto Madagasikara, samy maty ambohoka (Tsiranana-Pisodia; Ratsiraka Arema, Ravalomanana-TIM). Mpitondra samy NITSAOKA nandositra, rehefa avy nanao fifidianana sandoka voavatsy VOLA MIAFINA, antenimiera amboletran' antoko politika misandoka (TSY MISY dikany maha olom-pirenena ny hatao hoe “politika, TSY MISY kahie famaritra ny adidy sy ny zo ny antoko politika, TSY MISY lalàna mifehy sy sazy na fitsaràna ny antoko politika, TSY MISY lalàna sy sazy momba ny famatsiana ara-bola ny antoko politika…RIPAKA HARENA ny FIRENENAmiafara, tsy mahagaga, amin’ny herisetra, famotehana, vono, doro, ny fitifirana ny samy Malagasy, ny ratra, ny maty, ny filalaovana hetsi-po amin’ny vata-paty etsy amin'ny kianjan'ny 13 mai…mandositra ilay Prezidà ny Repoblika nisandoka sy ireo akaiky azy indrindra…saingy, lasa fitondrana adàla soloin-dry zareo (Etats-Unis, Afrika Atsimo, Frantsa) ho mpitondra adàla bitro sy boloky malagasy hafa vaovao indray mbola manetry be kokoa ao anaty fahantrana, savorovoro ampizarazara, tahotra...efa voakajin-dry zareo.

4°) Ny LOZA koa, ary MARIO tsara fa ireo firenena telo ireo (Etats-Unis, Afrika Atsimo, Frantsa) dia TENA SAROTONY ary SARO-PADY amin-dry zareo mihitsy ny fifidianana rehefa any amin-dry zareo avy. koa tena TSY AZO N'IZA N'IZA HITSABATSABAHANA na firenena iza! na iza!: na vola izany, na fitaovana, na ny fikarakarana rehetra.
Ry ZAREO kosa anefa avy dia MANAO AMBOLETRA aty Afrika sy eto Madagasikara fa ilàna ny FANKATOAVAN-DRY zareo hono ny fifidianana atao eto Madagasikara!!! ary ry zareo no MAMATSY ny VOLA (izay tian-dry zareo anaovana azy... fa tsy manana vola hono I Madagasikara kanefa ry zareo no mandripaka ny harem-pirenena sy ny vola isan'androny volamena, ny ilménite, ny vy, ny kobalt, nikel, ny solika ny gaza, ireo vatosoa, ny jono ny harena an'àla...ohatra kajy tsotra fotsiny: ny volamena 1kg fotsiny anefa dia 39 000 euros na 105 300 000 Ariary)... ary indrindra indrindra, ny FITAOVANA koa hono!!! dia ny an-dry zareo no ampiasaina! (teknisiana vahiny sy solosainalogiciel” fisandoana fifidianana fampiasan-dry zareo efa fahita tao Afrika...)

5°) IZAO àry, MARIO tsàra, TADIDIO, ny FAMOTEHANA fitondrana sy FANAPOIZINANA fifidianana teto Madagasikara (53 taona izao 1960-2013) nataon’ireo MPITONDRA FIRENENA vahiny TELO ireo (Etats-Unis, Afrika Atsimo, Frantsa) ary manetry antsika malagasy ho mpifidy adàla hifidy Prezidà adàla bitro avaokan-dry zareo avy ao anaty satroka...(le peuple malagasy abaissé au niveau d'électeurs imbéciles pour élire un président idiot).
  • Ry zareo firenena telo ireo (Etats-Unis, Afrika Atsimo, Frantsa) no mitononana ny tenan-dry zareo hoe “vondrona iraisam-pirenena” (communauté internationale) ary miafina ao ambadiky ny fikambanana sy firenena fanakonakonana ONU, SADC, PNUD, UA,OIF, COI,...
  • Ry ZAREO (firenena telo ireo) no tena mananganana ny komity mody ataon-dry zareo hoe Komity tsy miankina miandraikitra fifidianana (CENI-CENIT rafitra mandoza efa fahita tatsy Afrika). Ry zareo TELO ihany koa no mametraka misoko mangina izay malagasy tian-dry zareo sady bitro avaokan-dry zareo avy ao anaty satroka, no boloky voavidin-dry zareo anao kabary famafy ny lainga, ny sandoka, ary amitaka ny samy malagasy anaty fahantrana vita kajy).
  • FAMPIASANA Malagasy sahala amin’ingahy Norbert Lala Ratsirahonana ISANDOKA lalampifidianana sy lalampanorenana, ny HCC CES ary ny FAMPANGINANA tanteraka ny resaka VATSY VOLA MIAFINA tsy misy famerana kolikoly andiso ary anapoizinana fifidianana, ny kandidà bitro, ny antoko sy fikambanana “sivily (société civile) samy lonaka kolikoly, ny fahazoana mampiasa teknisiana vahiny sy solosaina “logiciel” vahiny manodina sy mandiso ny isam-bato (efa fahita fisandoana fampiasan-dry zareo atsy Afrika)
  • ny ANTOKA AVO BE CAUTIONFIBAHANANA ara-bola, mba ho voatokana ho azy ho an’ny KOLIKOLY, ny MPANGALATRA, ny TSY MATY MANOTA (amnistié), ny MPIJIRIKA, ny TSY NAHITA FIANARANA, ny TSY NIANATRA manetry ho zaza saina, sy ny MPISANDOKA kandidà BITRO efa voakajin-dry zareo anaty satroka, ary ny mpifaninana sandoka vovatsy vola atao tako-kenatra... izany no ataon-dry zareo hoe fifidianana Prezidà ny Repoblika eto Madagasikara (53 taona izao! 1960-2013).
  • TSY MISY fifanatrehana mivantana ireo kandidà amin'ny haino aman-jery ! ady hevitra mangarahara imasom-bahoaka, hanazava ny zava-nisy, ny zava-misy, ireo olana ifotony nanimba ity firenena anaty fahantrana, izay vao manome praograma inona? Fa dia tena adin'ny samy POAK'ATY efa VOAVIDY voabahana VOLA miafina tsy misy famerana, vitan-dry zareo kajy mialoha ho adàla ny fifidianana sy ny fitondrana firenena eto Madagasikara.
  • Ry zareo firenena telo ireo no tena misafidy izay ataony ho prezidà teto Madagasikara (olona tsy manana haijery mitambatra, tsy manana ny fahaizana tena ilaina, fa dia POAK'ATYara-pitondrana ary te igalabonaTsiranana”; na miaramila tsy nanavao fahalalàna ka mora manapoaka trosa! sady te igalabona madritry ny fiainany! “Ratsiraka”, na olona tsy nahita fianaranaRavalomanana”, na tsy nianatra fa DJ mpampandihy mpanao dokambarotra zaza saina-hetsipo-vetivety tetezamita voasandokaRajoelina”…samy fitaovanny Mpitondra firenena any ivelany ireo..., samy adàla ara-pitondrana, mampididoza, samy POAK'ATY ara-pitondrana firenena, mampahantra, mampandripaka harem-pirenena, mamono an-jambany anaty fahantrana ny taranaka Malagasy …Ry zareo firenena TELO ireo ihany koa no tena mampanendry ny BITRO praiministra sy ny ministra...
  • Ny FAMOTEHANA ny TAFIKA Malagasy (Na ny Amiraly nandositra, na ireo Kolonely sy Jeneraly migadra osa fanabeazana ka tsy mahalala izay fefy...ireo Jeneraly nampididoza fifidianana sandoka tao amin'ny ministeran'ny atitany... ireo nahazo grady Jeneraly avy amin'ny fitondrana tsy voafidin'iza n'iza fa fitondrana avy eny an-dalambe!...mbola tao koa ny Kolonely lasa praimisnistra tampoka hoe amaha ny kirizy politika hono saingy roa taona avy eo vao nilaza fa tsy mahafantatra izany politika izany fa miaramila fotsiny! Kinanjo lasa ambasadaoro tampoka teo (notendren'iza?) any amin'ny OMC misy ny halatra ara-barotra sy any Genève misy ireo banky off shore fanafenana VOLA!...na ny omena grady na ny manome, efa samy latsaka anaty adàlana tsy mahalala menatra! Izay sisa ilay TAFIKA malagasy...manala baraka firenena ! Mila fanabeazana sy fanavaozana ifotony.
  • Ny FAMOTEHANA ny fivavahana fitaizana ary fanabeazana ara-panahy sy finoana ny taranaka malagasy.(fjkm-Andriamanitra voahetry ho etam-barotra azo viraviraina azo amidy, voavidy ho fitaovana politika an-dRavalomanana! Sy ireo Pasiterany anao amboletra !).
  • Ny FAMOTEHANA ny tontolo iainan'ny POLITIKA, ny ANTOKO POLITIKA sy ny FITONDRANA firenena: Kendren-dry zareo firenena TELO ireo mba TSY HISY DIKANY ny teny hoe “POLITIKA”, TSY MISY kahie famerana omen’ny ministeran’ny atitany momba ny adidy sy ny zo, TSY MISY lalàna famerana ho fefy (vide de cadrage juridique), TSY MISY haififehezan-tena “TSY MISY etikaTSY MISY haififanajana “TSY MISY deôntôlôjia, TSY MISY lalàna mifehy ny famatsiana ara-bola !!!MILOFIKA ho azy amin'izay ny tontolo iainan’ny lalàna sy ny fitsaràna, ny tontolo ianan'ny toekarena, ny tontolo iainan'ny fampianarana sy ny fanabeazana, ny tontolo iainan'ny fitondrana rehetra,…manjaka ny savorovoro …mora kokoa ny fandripahana harem-pirenena…ny governemanta sy Prezidà ny Repoblika bitro boloky misandoka... mbola alefan-dry zareo (Etats-Unis, Afrika Atsimo, Frantsa) mandady maka lesona fahendrena malagasy any Afrika...

  • Ry zareo firenena telo (Etats-Unis, Afrika Atsimo, Frantsa) ireo ihany koa no mandefa ireo ataon-dry zareo hoe “mpanara-maso vahiny” (observateurs étrangers) avy any ivelany izay ILAZA( rehefa vita ny fifidianana SANDOKA) fa tena VITA TSARA!!! ilay fifidianana “ ary tena GAGA BE! fa tena ENDRY !!! ny vahoaka malagasy!!! ...ary dia indro mitohy ho azy ny sandoka sy ny fandripahana ny firenena.
6°) TSY MISY anefa RAFITRA na SEHATRA azon’ I Madagasikara sy ny vahoaka malagasy hitarainana satria: na ny ONU, na ny Banque mondiale, ny FMI, ny OMC, na ny TRIBONALY iraisam-pirenena, dia efa voahidy am-pelantanan’ireo Mpitondra Amerikana sy Frantsa daholo, eny na dia IREO FISANDOANA fifidianana (53 taona 1960-2013) ho FITONDRANA adàla aty Afrika sy eto Madagasikara aza .
Sady MIHINANA izany ry zareo, no MANDRIPAKA, no mitononona ny TENAN-DRY ZAREO hoe VONDRONA IRAISAM-PIRENENA “communauté internationale” mbola ry zareo ihany koa no manao ny FITSIPIKA araka izay mahasoa an-dry zareo; mbola ry zareo ihany koa no manendry ny TENAN-dry zareo ho MPITSARA araka izay mahasoa ny tenan-dry zareo sy ny fireneny avy ary mbola hafaka mandefa miaramila kasika manga koa...
Izany no FANONTOLOANA (mondialisation) mbola TSY MISY haifitantanana mendrika (mondialisation VIDE de gouvernance crédible) ka miteraka kirizy goavana manerana izao tontolo izao. Ilàna vahaolana matotra sy maharitra izany satria am-pelantanan'ny firenena VITSY ny fahefana mandripaka rehetra (tsy mitsitsy ny firenena hafa).
Efa MARO tokoa ireo firenena mitaraina, fa mbola miziriziry ireo Mpitondra firenena mandripaka.

7°) TSY MISY firenena, na iray aza, hanao ny fanarenana, fanavotana sy fampandrosoana marina, matotra sy maharitra an'i Madagasikara; koa antsika zanany ihany no manangana ny RAFITRA, ny LASITRA, ny tambazotran'ny tena hery velona zanak'iMadagasikara eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao, manambatra ireo fahaizana tena ilaina: ny haijery ny haifanadiovana, haifanarenana sy haifampandrosoana an'i Madagasikara. Ny mpikambana ao anatin'io TAMBAZOTRA io dia mazava ho azy fa tsy voatery lazaina anarana daholo, mba ahafahana miasa tsàra, milamina, matotra sy maharitra.

Ny VAHAOLANA MATOTRA sy MAHARITRA ho antsika olom-pirenena ?

  • TSY MILA intsony isika hoe ny vahiny firenena any ivelany” no mikarakara izay fifidianana atao eto Madagasikara ary ny hoe ilàna ny fankatoavan-dry zareo izany!
  • ATAO ny haifanavaozana ny haifiaraha-miasa sy ny haififandraisana amin'ireo firenena any ivelany rehetra.(Tsy ny manararaotra mandripaka anaty kirizy intsony no mbola angatahana tondrozotra ivoahana amin'ny kirizy !).
  • ESORINA ireo famotehana sy poizina tafiditra ao amin'ny lalàmpifidianana sy ny lalàmpanorenana. Omena fanazavana pedagojia fanabeazana ho olom-pirenena ny haifanadiovana sy haifanitsy rehetra atao.
  • TSY MILA io CENIT fitaovana fisandoana efa fahita tao Afrika io intsony koa isika.
  • TSY AZO ATAONTSIKA intsony ny mampiasa teknisiana vahiny na solosaina “logiciel” vahiny amin’ny FIFIDIANANA REHETRA atao eto Madagasikara.
  • Raha misy firenena te anome vola tsy misy takalony dia raisina fa tsy ry zareo velively akory no itsabatsabaka ikarakara na isalovana izay ho fifidianana fa isika Malagasy no manadio manao ny haifanabeazana manapaka izay tiantsika atao eto.
  • TSY MISY intsony kandidà na antoko mahazo mandray vatsy vola miafina avy amin’ny FIRENENA ivelany, na ONG, na ORINASA.
  • FOANANA IO CAUTION ANTOKA AVO BE IO! fibahanana ara-bola ho an'ny MPANGALATRA, ary FERANA sy mitovy ny VOLA azo ampiasaina.VOLA an'ny fitondrana firenena eto Madagasikara no TSINJARAINA MITOVY ary fifidianana TSY MANDANY VOLA no atao tsy ilaina PROPAGANDY adàla T shirt, mpanankanto...intsony.
  • TSY AZO sakatsakanana izay malagasy rehetra sady manana fahaizana no te hilatsaka ho fidiana na miasa any ivelany aza izy (foanana ilay hoe enimbolana anaty lalampanorenana isakanana manokana an'ny tenako Pr Tahina tsy ahazo ilatsaka ho fidiana). Ny haijery, ny fahaizana sy ny fahalalàna isahana andraikitra avo no ifaninanana atao madio mangarahara.
  • TSY AZO ATAO mihitsy ny mampiasa ireny takela-by goavana fanaovana amboletra dokambarotra zaza saina hetsi-po vetivety ireny, sady lafo mandany vola, no manimba tontolo iainana ireny.
  • HISY SAZY ENJANA ary MIALA ho azy izay mbola misandoka tsy manaraka fitsipika sy ny lalàna tsy mitanila ajoro.
  • Biletà tokana. Ary asiana fifanitsanana mialoha (primaire) isaky ny faritra enina raha ilaina raha hoe be loatra ny mpifaninana.
  • MIFANATRIKA imasom-bahoaka mivantana amin’ny haino aman-jery izay te ilatsaka ho fidiana fa TSY MISY INTSONY ny samy kabary an-jorony manararaotra fahorian'ny olona.
  • Samy mampiseho milaza ny haijeriny momba ireo OLANA ifotony 53 taona (1960-2013)aloha izay vao manaporofo ny maha marim-pototra ny praogramany.
  • HAJORO ny SATA mifehy ny “politika” sy ny “antoko politika”(tsy ilàna fotoana ela velively akory), ka asiana (cahier des charges)“kahie famerana” ny adidy sy ny zo, ny lalàna sy ny SAZY mifehy (cadrage juridique) ny antoko politika ary indrindra ny lalàna mifehy ny famatsiana ara-bola (loi de financement) ny antoko politika.
  • FOANANA ireo CST sy CT mitonona ho parlemantera kanefa tsy nofidian'iza n'iza!!! ka rafitra sandoka efa nandany vola be no mbola mandany vola be isam-bolana.
  • ASIANA TOERANA sady fanabeazana ho olom-pirenena no toerana tsy andoavana vola hivoriana ireo antoko politika mba tsy voatery angalatra andoavana vola be anao seho POAK'ATY eny amin'ny “Hotely kintana 5”.
  • Tsy MIATO ny haifiandry (veille) ny haifanatsaràna (régulation) ara-drafitra sy eo amin'ny lafiny saina rehetra fa atao izany ho soa ho amin’ny tena haifanarenana sy ny haifanabeazana ho olom-pirenena, ny haifampandrosoana firenena ary indrindra koa ny ho avin’ny taranaka Malagasy.
Ny fanampiny fanazavana dia efa azonareo jerena ao amin'ny internet ato amin'ny blogue:
RARY 2013...ataontsika zanany ho an'iMadagasikara.


Raha BANGOINA, atao indray mijery dia IRETO izany ny VAHA OLANA ( tsy mbola hikaroka fa efa vonona) ary PRAOGRAMA-ko mazava ho azy, sady ho POROFOn' ny HAIJERY mitambatra (vision et cohérence d'ensemble):

Ny HAIFANADIOVANA sady HAIFANARENANA ny lafiny RAFITRA sy ny lafiny SAINA.
  • Ny tontolo iainan'ny FIFIDIANANA rehetra eto Madagasikara.
  • Ny tontolo iainan'ny POLITIKA sy ny ANTOKO politika (kahie famaritra sy ny lalàna fefy, ny fitsaràna isahana, ireo sazy ampiarina).
  • Ny tontolo iainan'ny ANTENIMIERA (ho loharanon'ny Haitrandraka)
  • Ny tontolo iainan'ny FITSARANA sy ny Lalàna.
  • Ny tontolo iainan'ny HaiTOEKARENA TIA tanindrazana (patriotisme de l'économie) anaty fanontoloana (dans la mondialisation).
  • Ny tontolo iainan'ny HaiFANABEAZANA sy ny fampianarana.
  • Ny tontolo iainan'ny TAFIKA malagasy (ny fanavaozana IFOTONY, ny fanabeazana sy fampianarana fototra ary mitohy, ny etika, ny deôntolojia, ny kahie famaritra, ny lalàna mifehy).
  • Ny fivavahana sy FIANGONANA tsy ho fitaovana POLITIKA gaboraraka.
  • Ny HAIfifandraisana amin'ireo Mpitondra firenena vahiny any ivelany.
  • Ny HAIfiaraha-miasa vaovao amin'ireo firenena vahiny any ivelany.
Ny Fananganana sady fanentanana ara-dRAFITRA sy eo amin'ny lafin'ny SAINA ny TAMBAZOTRA ary LASITRA HAIfiaraha-miasan'ireo HERY VELONA zanak'iMadagasikara ETO Madagasikara sy manerana IZAO TONTOLO IZAO, ho amin'ny tena Haijery (vision), Hairindra (stratégie) Haifanabeazana ho olom-pirenena sy ny tena HAIfampandrosoana an'i Madagasikara.

Mankasitraka ,
Misaotra anao (anareo) ampahalala ny manodidina anao (anareo) an'ity antso, fanairana, fampahalalana ny marina, sy pedagôjia sady fanabeazana ho olom-pirenena ity.

Tohano ny Tambazotran'ny Olom-pirenena Hery velona ho amin'ny haifanabeazana ho olom-pirenena sy ny haifampandrosoana an'i Madagasikara.
Ny antoko politika: Fiarahamientana ho amin'ny
Haifanabeazana ho Olom-pirenena sy ny Haifampandrosoana an'i Madagasikara

Mirary soa ,
Profesora Johnson Jacky TAHINA
Kandidà voajanahary milatsaka ho fidiana Prezidà ny Repoblika 2013

Manentana ny haifanabeazana ho olom-pirenena
ny haijery sy ny haifanadihadiana
ny zava-nisy...ny zava-misy
mamohitra ireo olana ifotony ny lafiny rafitra sy lafiny saina,
 izay vao manome vahaolana sy praograma.

Mitaky ny fanafoanana na fanitsiana ny lalàmpanorenana voasandoka ingahy isany Andry Rajoelina sy Norbert Lala Ratsirahonana sy ny Mpitondra firenena vahiny miray tsikombakomba... manilika ny malagasy tsy eto an-toerana 6 volana ka tsy mahazo milatsaka ho fidiana (Tetezamita tsy mahalala menatra misandoka manilika ny filatsahan' I kandidà Profesora Tahina).
Ny fanafoanana ny vatsy vola miafina tsy misy famerana poizina (53 taona 1960-2013) fampiasan'ireo malagasy sy vahiny tsy maty manota, mpangalatra, mpanao kolikoly, Mpijirika (bandits d'affaires, ireo Orinasa savorovoro (multinationale), sy ireo Mpitondra firenena vahiny...Mpandripaka harem-pirenena. 
AOKA àry TSY HISY HIFIDY raha tsy FOANANA ireo SAKANA sy POIZINA voalaza mazava ireo.